Nofy - Lalatiana (New Clip)

  • 9 years ago
Nanonofy anao aho tamin' izay
Mitsingevana ambony hono ianao
Rahona no hipetrahanao
Ny kintana ataonao kilalao...

Nanonofy ano aho tamin'izay
Tànana no natolotrao
Handray ahy ho eny aminao
Ny kintana ataontsika kilalao...

Avia aty hoy ianao
Ho ety ambony rahona
Fa ety no homeko anao
Homeko anao izao tontolo izao...

Dia nifoha tamin'izay ary aho
Niandrandra aho nitazana anao
Hay nanonofy anao fotsiny aho
Nitsiky kely aho ...
Raha mba teo tokoa mantsy ianao..