Njakatiana feat Melky - Toy ny vao omaly

  • il y a 12 ans
Toy ny vao omaly (A/C: Njakatiana)

Endrey! mampientana ny fo, ny dia-tsika roa
Maharitra tokoa
Endrey! ao an-tsaiko izao fa io ilay endrikao
No mbola mamiko hatrizao

Rehefa fetin’ny mpifankatia
Ianao mamiratra toa fararanon’ny fitia
Ka dia misarika hampatsiahy
‘Lay voaloham-pitia indray
‘Lay fontsika vao nifandray
Tena mamy izay

Ref:
Fa toy ny vao omaly ny fitiavako anao
Tsy lefy hatramin’zao vao mainka nihavao
Fa toy ny vao omaly ny fitiavako anao
N’inona izay miseho tsy natao hankaleo
Enga anie ho samy ho tokam-po
Ka hanjakan’ny soa ‘lay fianantsika roa

Endrey! ao an-tsaiko izao
Fa io ‘lay endrikao
Mbola mamiko hatrizao

Rehefa fetin’ny mpifankatia
Ianao mamiratra toa fararanon’ny fitia
Ka dia misarika hampatsiahy
‘Lay voaloham’pitia indray
‘Lay fontsika vao nifandray
Tena mamy izay

Ref: …